Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana

Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany fanazavana mikasika lohahevitra izay niteraka adihevitra betsaka teo anivon'ny fiaraha-monina any amin'ny fanjakan'i Jordana, efa hatramin'ny herinandro maromaro izao. Tamin'izany hafatra izany dia nisaotra ny vahoaka amin'ireo hafatra napetrany ny mpanjaka, sady namporisika hatrany koa mba samy hamboraka mazava sy tsy am-pihambahambana na fahatahorana ny heviny ny tsirairay.

Thank you all for your feedback and comments. I am very happy and proud to see so many responsible citizens engaging in this dialogue. People must not be afraid to express their opinions without using aliases. We are a country of freedom, tolerance, diversity and openness, and everyone has the right to express their thoughts – no matter what they are – in an atmosphere of respect, so long as they are not personally offending others, attempting character assassination or undermining the nation's interest. Your comments only indicate how deeply you care about Jordan and its future and I am happy that we are partners in the development process.

“Misaotra anareo aho amin'ireo hafatra rehetra izay napetrakareo. Sady velon-karavoana aho no voton-drehareha mahita fa vahoaka maro no indray mandray anjara amin'izao adihevitra izao. Tsy misy izay antony tokony atahoran'ny vahoaka ka hanakana azy tsy hamboraka izay heviny na koa iafenany ao ambadiky ny /solon-tava sy solon'anarana eto amin'ny Aterineto. Satria ny firenentsika dia firenen'ny fahafahana, ny fandeferana, ny fisamihafàna ary ny fisokafana, ary dia manana ny zo ny hanambara izay fiheviny avokoa ny tsirairay – n'inoninona ao an-tsainy – fa ao anivon'ny fifanajana kosa, izany hoe raha mbola tsy misy olona izay mahatsiaro tena ho voazimbazimba noho izany hevitra izany, na koa fiezahana ny famonoana olona na ny fanimbazimbana ny tanindrazana. Ireo hafatrareo dia mampiharihary fa lalimpaka ao anatinareo ny fikatsahana izay ho tombotsoan'i Jordana sy izay ho aviny Ary faly aho satria mpiray dia amin'ny lalan'ny fampandrosoana isika.”

Heverin'ny mpanatrika maro ho toy ny fanohanana manokana ataon'ny mpanjaka ho an'ny haino aman-jery izao – indrindra indrindra ireo eto amin'ny sehatry ny Aterineto – warious mpiblaogy Jordaniana dia mamaly ny hafatry ny mpanjaka ao amin'ny Osamayy (Arabo) :

I am absolutely amazed, that a leader of a country, who probably has a million things to do, takes the time to read the views and opinions of ordinary citizens to communicate with them. He's more humble than your average Jordanian. If only more politicians would follow in his footsteps!Farah of “Observations of a Jordanian

“Dia tena zendana mihitsy raha ny tenako raha mahita fa mpitondra firenena izay manana zavatra aman'arivony hosahanina angamba raha kely dia nahafoy fotoana mba hamakiana izay hevitra tian'ny olontsotra ampitaina amin-dry zareo mpitondra. Tena mbola tsotra lavitra nohon'ny ankamaroantsika Jordaniana raha izy tenany. Raha mba maro mantsy ireo pôlisiana izay manaraka ny diany ho amin'izany koa !” – Farah ao amin'ny “Observations of a Jordanian” [Fijerin'ny Jordaniana iray]”

Farah Sharif manoratra ao amin'ny lahatsoratra nomeny ny lohateny hoe “Ny mampiavaka an'i Jordana” :

Upon reading His Majesty's commentary on Black Iris and the daily which is dearest to my heart and mind, Addustour, I've never been more struck with the sheer power that the relationship between a leader and his people can hold.

“Eo am-pamakiana ireo hafatry ny mpanjaka tao amin'ny blaogy Black Iris sy tao amin'ny vohikalan'ny gazety izay akaiky tokoa ny foko sy ny fihevitro, ny gazety Addustour izany, dia tsy mbola nanaitra ahy ohatry ny tamin'ity indray mitoraka ity ny hamafin'ny rohy izay mamehy ny fifandraisan'ny mpanjaka sy ireo vahoaka izay entiny.”

Eny fa na dia ny Ambasadaoro Danoa any Amman, i Thomas Lund-Sørensen, aza diia nanan-kambara mikasika izay toe-draharaha izao ao amin'ny The Ambassador’s Weblog izay blaoginy :

Apart from the content of HM's comment I think this also mark an important day for the Jordanian blogosphere – more and more people are paying attention to what is going on in this media including at the highest level.

“Ankoatry'izay votoatin'ny hafatra napetraky ny mpanjaka, dia heveriko koa fa andro lehibe hoan'ny blaogôsfera Jordaniana izany andro izany – satria mihamaro hatrany ireo olona izay voatarika ny handinika izay miseho eo anivon'ny blaogôsfera Jordaniana, eny fa na dia hatrany amin'ny ambaratonga faratampon'ny fitondrana aza.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.