India : Mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy voaroaka nohon'ny lanjan'izy ireo diso tafahoatra

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no mitatitra ao amin'ny Natifnatal ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo any India izay manome rariny ny fanapahan-kevitry ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Air India ny handroaka mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy [“hôtesses de l’air” sy “stewards”] nohon'ny hataviny be loatra :

la haute cour de justice de Delhi a néanmoins tranché en faveur d'Air India, arguant que les contrats de travail mentionnaient bien que les employés pouvaient être mis à pied si leur poids dépassait la limite autorisée. “Leur travail nécessite un poids idéal. Les hôtesses de l'air et les stewarts doivent faire face à des situations telles que les turbulences et d'autres urgences. Pour cela, ils doivent être dans une grande forme physique et mentale”, a justifié la juge Rekha Sharma. Différents critères de poids sont ainsi définis par la loi. Une hôtesse de 18 ans ne doit pas peser plus de 50 kg pour une taille de 152 centimètres. Entre 26 et 30 ans et pour la même taille, le poids limite s'élève à 56 kg.

“nanome rariny ny fanapahan-kevitry ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Air India ny fitsarana avo any India araky ny fiheverany fa namabara mazava tao amin'ny fifanarahana mifehy ny mpiasa sy ny mpampiasa [contrat de travail] izay nosoniavin'ny roa tonta fa mety ho antom-pandroahana ny fihoaran'ny lanjan'ny mpiasa ny fetra mipetraka. “Mitaky lanja idealy ny asa tanterahin'izy ireo. Ireo mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy dia mety hisedra toe-draharaha toy ny hotakotaka an'habakabaka sy fahamaihana hafa. Ka mila matanjaka ara-batna sy ara-tsaina tokoa ry zareo”, hoy ny mpitsara Rekha Sharma. Misy fepetra samihafa izay apetrak'izany lalàna izany. Tsy tokony hihoatra ny 50 kg ny mpanamory fiaramanidina vavy 18 taona izay mirefy 1,52 m. Amin'io haavo io ihany, eo anelanelan'ny taona 26 ka hatramin'ny 30 dia voafetra ho 56 kg izany lanja izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.