- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta (tsy) Am-pitanjahana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny

Noraràna ny fitanjahana tamin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta Am-pitanjahana na “World Naked Bike Ride” (WNBR) [1], any São Paulo, tany Brezila :

De acordo com o tenente da PM que estava cuidando da manifestação, a ordem era prender quem exibisse a genitália.

Ou seja, protesto tudo bem… mas pelado não…

Engraçado como no país do carnaval, onde todo ano há mulheres peladas em rede nacional de televisão durante 3 dias seguidos, o povo fique chocado com nudistas andando de bicicleta.

“Araky ny fanambarana nataon'ny Lietnà mpitandro ny filaminana izay nisafo izany hetsika izany, dia nahazo baiko ny hisambotra izay rehetra mampiharihary ny fitaovam-pananahany izy.”
Izany hoe raha aravona, azo tanterahina ilay hetsika … fa tsy mahazo mitanjaka kosa …”
Ny zavatra mampiomehy anefa dia aty amin'ny tanindrazan'ny Karnavaly, isan-taona dia ampiharihariana vehivavy mitanjaka amin'ny fahitalavi-pirenena mandritra ny telo andro maninjitra, izao ambara fa tafintohin'izay mpitaingina bisikleta mitanjaka ny firenena.”

Notaterin'ny vohikala br.br101.org [2] [pt] fa olona iray no nosamborina.