Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro).
Kunming, izay itoeran'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana maro [ONG, NGO], dia nametraka isaky ny Asabotsy faran'ny volana ho andro tsy misy fiarakodia. Henjana ny lesona omen'ny Shina antsika ra-fiarovana ny tontolo iainana :
The policy has its limitations, of course. Rather than fully banning cars throughout the entire city, only private cars are forbidden to enter the first ring road. Taxis, buses, bikes, scooters, and special purpose vehicles (or vehicles with greater than 17 seats that are more than 50% full) are allowed to travel anywhere in the city.
Sady mbola ampiany koa hoe :
The policy seems to have mixed results. On September 22, the Kunming Environmental Bureau reported much better air quality due to the limitation of private cars…On the same day, the BBC reported Beijing drivers as having all but ignored the call for No Car Day, where the event was voluntary and not enforced as in Kunming.
Ouyang sy Jenny mpiblaogy roa mpivoy ny tontolo iaianana any Shina no nitatitra mikasika izany fizotry ny hetsika izany.
Video: “Andro tsy misy fiarakodia” any Kunming
Amin'ny faha-22 Spetambra ho avy dia mikasa ny hanatanteraka izany hetsika “Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana mahatratra 108 i Shina, ho fandraisana anjara amin'ny andro iraisam-pirenena “Andro tsy misy fiarakodia.” Izany hetsiky Shina izany dia hiteraka fihenan'ny famokarana etona karbônika mahatratra 3'000 taonina sady fitsitsiana solika 33 tapitrisa litatra.
Ankoatr'ireo hetsika mandritra ny “andro tsy misy fiarakodia” ireo, maro ireo tetikasa mikasika izay fepetra vaovao fandraràna sy famehezana ny fitaterana mandritra ny hanatanterahana ny lalao ôlaimpika any amin'ny faritra Atsinanan'i Shina [Beijing] mba hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana.