08 Jolay 2008

Tantara tamin'ny 08 Jolay 2008

Armenia: Blaogin'ny fanabeazana

  08 Jolay 2008

Amin’izao ankehitriny mampangatsiatsiaka ny disadisa taorian’ny fifidianana taty Armenia izao, betsaka ny vintana hahafahan’ny tontolon’ny blaogy mandrakotra resaka maro mifandraika manokana izay na nodian-tsy hita na tsy noresahan’ireo mpampahalala vaovao sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Iray amin’ireny resaka ireny ny fanabeazana, sehatra iray manokana tena anjakan’ny resaka kolikoly amin’ireo faritry ny firaisana sovietika teo aloha.

“Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana any Atsimo Atsinanan'i Shina

  08 Jolay 2008

Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro). Kunming, izay itoeran'ny...

Armenia : Kolikoly sy Fialana bala

  08 Jolay 2008

Blogrel no mitatitra fa noroahina nohon'ny kolikoly ny talen'ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanavaozana ny Pasipaoro (OVIR) any Armenia. Anefa dia velom-panontaniana koa i Unzipped izay antony tsy nisian'ny fitoriana ara-pitsarana ho tohin'izany raharaha izany, tena marina ve fa miady amin'ny kolikoly sy ny tsolotra tokoa ny fanjakana fa tsy vazivazy ?.