- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Mivonòna sahady ny hijoro vavolombelona amin'ny fahatongavan'ny lalao Ôlaimpika

Sokajy: Shina, Fanatanjahantena, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Sarimihetsika, Lalao Olaimpika

Efa nilaza sahady i Zuola izay vavolombelona mpitatitra eto amin'ny Aterineto fa isan'ireo ho any an-toerana izy [1] [zh], ho tonga any koa ireo mpanao vy very ny ainy ara-pivavahana [2], ary toa  eo am-pikatsahana mpanatri-maso avy any an-toerana [3] ireo gazety vahiny, ary ireo vohikala mpivoy ny web 2.0 dia mihevitra fa misy lahatsary blaogy ara-tsary [vlogging ] manan-danja izay hipoitra mandritra ny volana ambony ho avy iry, mandritra ny anatanterahana ny lalao Ôlaimpika any Beijing ka dia mahatonga azy ireo hanolotra fanomezana maimaim-poana [4], na eo aza ny loza manambana dia ny fandraràna izay lahatsary manodidina [5] lalao Ôlaimpika.

Azo ambara sahady ve fa ireo mpijoro vavolombelona any amin'iny faritraina dia efa mivonòmbonona sahady amin'ny diany ho any Beijing amin'ny 888 [08.08.2008] ? Raha tsy isan'izy ireny ianao dia mbola fotoana azo iovan-kevitra izao. Tamin'ny faran'ny volana lasa teo iny dia nanokatra fifaninanana ny GroundReport [6] announced [7] izay vohikala mpivoy ny fijoroana vavolombelon'ny tsirairay manerana izao tontolo izao [citizen journalism, journalisme citoyen], loka 500 $ USD ary lahatsoratra loha-laharana ao amin'ny renipejin'ny vohikala hoan'izay lahatsary mandrombaka ny toerana voalohany amin'ny volana ho avy :

“Satria ny lalao Ôlaimpika izay hotanterahina any Beijing no voalohany izay hotaterin'ireo mpijoro vavolombelona eto amin'ny aterineto. Ary raha mbola mirohotra ho any Beijing avokoa ireo haino aman-jerin'izao tontolo izao, ny fanirianany dia ny hahafantatra izay tantara ambadik'ireo tantara ambara amintsika, izay tatitra avy aminareo mpamaky tsotra toa ANAO.”

Raha mitsidka izany vohikala izany ianareo dia aza adino ny mamaky izay fepetra mifehy azy [7]. Loha-laharana amin'ny tatitra izay katsahin'ny GroundReport ny Hetsika fikomiana.