Iran : Homelohina ho faty noho ny blaogy ?

Tamin'ny Alarobia teo dia nanaiky ny parlemanta iraniana ny hiadiana hevitra mikasika ny volavolan-dalana izay “hanamafy kokoa ny sazy ho an'izay manohitohina ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina”. Araka io volavolan-dalana io moa dia ho atao isan'ireo heloka mety hampiarana ny fanamelohana ho faty ny “fanaovana tranokala na blaogy manindraindra ny kolikoly, ny fivarotan-tena ary ny fisintahana amin'ny finoana”.

Tao anatin'ny taona maromaro izao, dia nisy mpitoraka blaogy iraniana nampidirina am-ponja, ny sasany kosa voasivana ny tranokalany. Raha ho lanian'ny antenimiera ao an-toerana io volavolan-dalana io dia ho “ara-dalana” ny hamonoana ireo mpitoraka blaogy, tahaka ny mpanao ratsy. Tsy nisy namaritra mazava mantsy hoe ahoana izany “manakorontana ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina”.

Tsy ao Iran ihany no hitrangan'izao ady hevitra mikasika ny fitorahana blaogy izao. Hita mantsy fa maro ny manam-pahefana tsy manivana ny blaogy fotsiny, fa manafoana ny mpitoraka blaogy mihitsy.

Rafitra eo amin'ny firenena hanaraha-maso ny blaogy

Iray taona sy tapany lasa izay dia nangataka ny mpitoraka blaogy ny governemanta iraniana mba hametraka ny anarany sy ny toerana fonenany ao amin'ny tranokala antsoina hoe Samandehi. Maro ny olona nino fa hanamora ny fiampangana azy izany.

Maro ny mpitoraka blaogy tsy nanao izany, ary nametraka ny hoe “I do not register my blog/site” amin'ny takelak'izy ireo. Tsapan'ny governemanta araka izany fa tsy afaka tena marana-maso ny blaogy izy, ary tsy afaka manery ny mpitoraka blaogy hisoratra anarana.

Manara-dia an'i Yemen ?

Mampalahelo, fa tsy ao Iran ihany no hitrangan'ny zavatra toy izao, fa na ao Middle East na amin'izao tontolo izao. Tamin'ny volana Aprily dia niresaka ireo fomba famoretana vaovao ampiharina ao Yemen, araka ny nolazain‘i Walid Al-Saqaf mpandrindra ny YemenPortal.net, i MidEastYouth :

“This week, the government’s Minister of Information threatened to file lawsuits against news websites on the justification of ‘inciting hatred’ or ‘harming national interests’ and the other usual excuse they often use to prosecute journalists. The threat is even more severe for websites because the government would use the penal code instead of the press law. This means that website owners could receive even death penalties.”

Tamin'ity herinandro ity dia nandrahona ny Minisitry ny filazam-baovao fa hampiakatra fitsarana ny filazam-baovao amin'ny aterineto. “Miteraka fifankahalana” na “Manohitohina ny tombontsoam-pirenena” ary ireo “antony” efa mahazatra ampiasain'izy ireo hanarakarahana ny mpanao gazety. Masiaka kokoa ny fampitahorana ho an'ny takelaka amin'ny aterineto satria dia ny lalana ampiharina amin'ny olona mahavanon-doza [penal code] mihitsy no ampiharina amin'izany fa tsy ny lalana natao ho an'ny mpanao gazety fotsiny [press law]. Midika izany fa mety hahazo hatramin'ny fanamelohana ho faty ireny tompon'ny takelaka amin'ny aterineto ireny.

“Aza tezitra, ho ataonay ara-dalana ny famonoana anao”

Hoy i Nikahagan [Fa], izay mpitoraka blaogy sady manao sarihitatra amin'ny aterineto :

if this draft bill becomes law, everything will be based on interpretation and a simple blogger will be considered a center to destroy people’s religion! What can I say? Only people who disturb people’s mental security could support such a thing.

Raha lany ho lalana io volavolan-dalana dia ny fomba fandraisana izay voasoratra fotsiny no hiankinan'ny zavatra rehetra ary mety ho voarohirohy ho mpamotika ny finoan'ny olona ny mpitoraka blaogy tsotra. Inona moa no azoko lazaina ? Ny olona mpanakorontana ny filaminan-tsain'ny vahoaka ihany no mety hanohana zavatra tahaka izany.

Manentana ny hiadiana hevitra mikasika ity volavolan-dalana ity ny filohan'ny parlemanta iraniana, Ato Ali Larijani, hoy i Mirza Kasra Bakhtyari [Fa], ary niresaka maharitra tamin'ny Mpanao Lalana izy ireo.

Hoy i Ghomarashegahneh [Fa]:

Mentioning ‘blogging’ among crimes such as kidnapping, raping, armed robbery makes accusing bloggers easier than before… Such a law will harm the mental security of society more than the poor bloggers, who do not know what awaits them.

Ny fampitoviana ny fitorahana blaogy amin'ny asa ratsy toy ny fakana an-keriny, fanolanana, fandrobana sns dia vao maika manamora ny fiampangana ny mpitoraka blaogy … Ny lalana toy izany no hanakorontana ny filaminan-tsain'ny mponina mihoatra noho ireo mpiblaogy tsotra, izay tsy mahafantatra ny miandry azy akory.

Nanampy moa izy fa ny olaha ara-toekarena sy ny famoretana ataon'ny governemanta no tena manohitohina ny filaminana eo amin'ny fiaraha-monina.

“Mila manao izay vitantsika isika mba tsy holanian'ny parlemanta ity volavolan-dalana ity,” hoy i Bazri [Fa]. “Efa tara loatra rahampitso. Mora be ny miampanga ny mpitoraka blaogy hoe misarika ny olona hiala amin'ny finoana na kolikoly. Ndeha hotenenina ny parlemanta fa tsy tokony hanamelohana olona ho faty ny fomba fihevitra tsy mitovy.”

Namoaka sary i Balocuh, mampiseho ny manam-pahefana iray miteny amin'ny vehivavy voaheloka ho faty hoe : “Aza mora tezitra, ho ataonay ara-dalana ny famonoana anao.”


(photo credit to Nikahang )

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.