- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely : Tsy homeko voanjo intsony ianao !

Sokajy: Iràna, Israely, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Sakafo

Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany [1] izany tsena goavana any Israely izany :

Anyone with even a passing knowledge of Israeli snacking habits will attest that Israel will be hard pressed to give up their pistachio addiction, no matter where the nuts actually come from. For its part, Israel claims it gets most of its pistachios from Turkey (yeah, right!).

“Na dia izay olona sendra niserana fotsiny tany Israely aza dia mahafantatra fa nohon'ny fahazarany mitsakotsako sy misotrosotro dia ho sarotra ny hialany amin'ny fahazarany mihinana voanjo, na avy aiza na avy aiza toeram-pihavian'izany voanjo izany. Raha Israely manokana dia manambara fa avy any Torkìa ny ankamaroan'ireo voanjo amidy any aminy (eny e, somary ankavanana kokoa no tena izy)” [FANAMPIM-PANAZAVANA : ankavanana anefa fampiasa koa ho enti-miaiky fa marina na ekena no azo andikateny ny right, moa i Iran sy Israely moa tsy mifankahazo rahateo]