- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shhh… Nisokatra ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices Citizen Media

Sokajy: Hongria, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia, Vaovao Mafana

Raha somary nangingina ny sehatry ny Global Voices [1] izay “indroandroa andro” lasa izay dia satria notaterinay aty Bodàpestà, Hôngria ny 80 amin'ireo mpandrindra, mpanoratra sy mpandikateny hanatrika ny vovonàna miaksika ny fahalalaham-pitenenana, ny fijoroana vaolombelon'ny tsirairay [citizen media, médias citoyens] ary izay toeran'ny vohikala Global Voices amin'ny ireo taona ho avy ireo. Afaka arahinareo mivantana ao amin'ny webcast [2], sy liveblog, sy Twitter, ary andian-tsary [3]. Vangio ny vohikalan'izany vovonàna [2] izany ahafantaranao izay fomba anaovana izany.

Mpiblaogin'ny mpandray anjara anivon'ny Global Voices izay niara-niasa an-tendrilavitra [virtual, virtuel] nandritra ny herintaona mahery no voalohany hifanatri-tava ankehitriny. Fivoriana misokatra hoan'ny daholobe izay nahasarika mpandray anjara tsy latsaky ny 200 avy amin'ny kôntinanta rehetra, ao anatin'izany mpanao gazety mihoatry ny 25 avy amin'ireo fantsona fampahalalam-baovao vaventy. Misaotra anareo tonga nanatrika aty Bodàpestà, isaorana koa ianareo manaraka avy lavitra any.

Global Voices Citizen Media Summit 2008 in Budapest [2]


Topimaso ny trano fivoriambe rehefa nadiva hifarana ny andro voalohany. Nalain'i Neha Viswanathan