Palestina : Maka bahana … mitifitra [sary] … dia nahamarika

Nampitombo isa ny fandresena norombahan'ny ady hoan'ny rariny ara-sosialy [social justice] i Muna Nawajaa.

Nampiasa itony fakana lahatsary [camera] izay fanomezan'ny fikambanana B'Tselem's Shooting Back project azy, i Nawajaa izay Ramatoa Palestiniana iray, dia naka lahatsary ireo olona misaron-tava izay nidaroka sy nanao herisetra ny sasany amin'ny fianakaviany, vokatr'izany dia nanokatra fikjatsahana ny Pôlisy Israeliana ary efa voasambotra ireo mpanao herisetra ankehitriny.

Uriel Hellman no nanao lahatsoratra ao amin'ny gazety JTA's Telegraph blog, izay nampitondrainy ny lohateny hoe “fakana lahatsary toy ny fitaovana enti-miady” :

Imagine if this project were expanded throughout the Middle East. Just as Israel has taken action against this thuggish and criminal activity, authorities from Riyadh to Cairo would take action against thugs in their societies who target Arab innocents.

There’s just one problem: Nobody’s interested in how people in those places are beaten, murdered and maimed — and, in some cases, the persecution is carried out by their own governments. B’Tselem, or at least the United Nations, would do well to protect those innocents as well.

“Alaivo sary an-tsaina kely ange raha apariaka amin'ny faritra arabo [Moyen-Orient] ity foto-drafitrasa iray ity, dia ho voatery mandray fepetra hanoherana ireo mpanao herisetra izay mikendry ireo tsy manantsiny anivon'ny fiaraha-monina Arabo, toa izay nataon'i Israely avokoa ireo fitondrana any Riyad [Arabia Saodita] sy le Caire.”
Ny indro kely fotsiny (hoy ilay mpandrafitra) dia tsy misy mivaky loha izay fanaovana herisetra, na famonoana na fampijaliana izay mponina avy amin'iny faritra iny (izao tontolo izao) – ary ny tena loza aza tsindraindray dia ny fanjakana mihitsy no ao ambadik'ireny fampijaliana samihafa ireny. Ny fikambnana B'Tselem, na fara-faharatsiny ny Firenena Mikambana [ONU] dia tokony handray fepetra hiarovana koa ireo tsimanantsiny hafa ireo.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.