- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angôla : Tatitra an-tsary

Sokajy: Angola, Fanabeazana, Hevitra, Saripika, Tanora

JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue [1] any Angôla :

A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira e as carteira são os joelhos. Estão matriculados nesta aldeia 4100 alunos, as aulas começam ás 7,30 e terminam ás 18, 30.

“Sekoly izay tsy misy zavatra hafa ankoatr'izay hitanareo eo amin'ireo sary ireo : vato [biriky] no mba fipetrahana ary ambonin'ny tongotra no mba dabilio fanoratana. Mahatratra 4100 ny isan'ireo mpianatra ao amin'ity tanana ambanivotra ity, manomboka amin'ny 07:30 ora maraina ny fampianarana ary tsy mitsahatra raha tsy amin'ny 18:30 ora hariva.”