- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety : Notafiana ny “Hard Candy”-n'i Madonna

Sokajy: Koety, Fahalalahàna miteny, Mozika

Moey no mitatitra fa notafian'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao an-keriny ny sarin'i Madonna amin'ny raki-kira vaovao “Hard Candy” [1] any Koety :

Madonna’s album is being raped by Kuwaiti MOI [Ministry of Information], they basically forced leggings on her and took all the pictures off her CD booklet, it is a cover only no inlay pages

“Naolan'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao [MOI, Ministry of Information] an-keriny tsotr'izao ny raki-kiran'i Madonna [vaovao “Hard Candy”], nampanaovin-dry zareo ba-tongotra an-keriny izy sady nofoanana avokoa ireo sary tao anaty bokikely mandravaka izany raki-kira izany, fonony fotsiny sisa fa tsy misy pejy hafa anatiny intsony”