Kenya : Raha tsy Kenyana …

Ao amin'ny Memorable Jokes [hatsikana tsy mety lefy] no amakiana ny lisitra zavatra 31 tsy fahita raha tsy amin'ny Kenyana ihany :

1. Are engaged for 5 years or more,

2. Never bother to divorce, they just separate,

3. Are late to church, work, and everything else, EXCEPT when the disco is free before 9pm,

4. Refer to diabetes as “SUGAR”,

5. Show up at weddings, showers, graduation, birthday parties with a new outfit on with nails and hair done but no gift […]

16. Use “Ngai” as an exclamation mark e.g. “Ngai, what are you doing?” […]

18. Think it is cool to drink and drive and get away with it “I don’t know how I got home that day… the way I was soo drunk!” […]

23. Prefer washing cars and dishes in USA to toiling in their 20-acre tea farms in Kenya […]

26. Have a chief Justice who has no law degree!

27. Go on strike for one day and expect the gvt. to resign!

1. [Mpifankatia] miaraka ho amin'ny 5 taona manaraka na mihoatra,
2. Tsy misahirana izay hisara-panambadiana fa misaraka fonenana fotsiny dia ampy,
3. Tara lava any am-piangonana, any am-piasana, any amin'izay rehetra mety aleha rehetra … AFA-TSY amin'ny alim-pandihizana izay maimaim-poana ny fidirana alohan'ny 21:00 ora alina ihany,
4. Mampiasa ny teny hoe “SUGAR” [siramamy] rehefa hanambara ny aretina diabète,
5. Misehoseho any amin'ny mariazy, fety samihafa, fankalazana fahazahoana diplaôma, na koa fankalazana tsingerintaona nahaterahana amin'ny haitraitra marevaka sy tsy kasihin-tany sady amin'ny volo tsara voatra anefa tsy nivatsy fanomezana hoan'ny mpanasa akory […]
16. Mampiasa ny fiteny hoe “Ngai” ho solon'ny baraingom-panontaniana, ohatra “Ngai, inona izato atao ?”
18. Mihevitra fa lafatra ny misotrosotro sady mamily fiarakodia ka mihodikodina miaraka aminy “Dia tsy haiko mihitsy hoe amin'ny fomba akory no mbola nahatodiavako tany an-trano tamin'iny indray andro iny … raha izay hamamoako izay !” […]
23. Aleony lavitra manasa fiarakodia sy vilia any Zamerika toy izay mitantana ny saha fambolen-dite mahatratra 20 ara aty Kenya. […]
26. Manana lehiben'ny fitsarana izay tsy nandia fianarana mikasika ny fitsarana akory !
27. Mikomy indray andro dia manantena fa ampy hametrahan'ny governemanta fialàna izany !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.