Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Borkina Fasô : Jiolahy mpanakan-dàlambe

Ny mpiblaogy Borkinabe QuophyBlogeur mitatitra mikasika izay nihatra tamin'ny mpandehan'ny orinasam-pitaterana Ghaniana STC [Intercity State Transportation Corporation] raha nisy jiolahy mpanakan-dàlambe nanambana sy nitifitra ny fiarabe nitatitra azy ireo :

Le trajet d'un car de la société ghanéenne STC – de Ouaga-Accra via Kumasi – a failli tourner au drame. Arrivé aux environs de Wallé-Wallé à quelque 30 km de Tamalé, le 4 juin dernier, 2 malfrats armés de fusils de type AK 47 ont débouché de la brousse pour couper la route au car.

Le chauffeur les ayant aperçus, il a immobilisé son véhicule et a condamné automatiquement les portières de son véhicule conformément aux consignes de sécurité auxquelles il a été formé […]

Ils ont tiré à bout portant sur le car. C'est alors qu'une balle a traversé le pare-brise avant et atteint un passager burkinabè qui se trouvait juste derrière le conducteur […]

En légitime défense, l'un des policiers ghanéens qui escortaient le car a riposté et a réussi à descendre un des brigands. L'autre a pris la fuite. Quant au voyageur burkinabè blessé par balle il a été hospitalisé à Accra.

Saika nivadika ho loza ny zotram-pitanteran'ny orinasa Ghaniana STC [Intercity State Transportation Corporation] mampitohy an'i Ouagadougou sy Accra izay mandalo koa any Kumasi. Tamin'ny faha-4-n'ny volana Jona lasa teo, tandifidrifin'ny tanana'i Wallé-Wallé, 30 km avy an'i Tamalé, dia nisy jiolahy 2 lahy nirongo basy marovava karazana AK 47 [kalaky | kalachnikov] itony nivoaka avy tany amin'ny lobolobo tany hanakana ny làlan'izato fiarabe.
Rehefa nahita izany ny mpamily dia nijanona sady nanidy ireo varavana rehetra araky ny fepetram-piarovana nanazarana azy amin'ny izay mety ho fitrangan'ny toe-javatra toy izao […]
Nitifitra ambodi-moty ny fiarabe ry zalahy jiolahy. Ary nisy bala iray namakivaky ny fitaratra ary nahavoa mpandeha Borkinabe iray izay nipetraka tao aorian'ny mpamily […]
Araky ny lalàna mifehy ny fahalalaha-mamaly raha misy manafika [légitime défense] dia namaly nitifitra koa ny iray tamin'ireo pôlisy Ghaniana izay mpanara-dia izany zotra izany ka nahafaty ny iray tamin'ireo jiolahy. Vaky nandositra kosa ilay namany. Ilay mpandeha naratran'ny bala kosa dia naiditra Hôpitaly tany Accra [renivohitry Ghana].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.