- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe: Nosamborina ny sekretera jeneralin'ny MDC

Sokajy: Zimbaboe, Lalàna, Politika

Famoretana ny fanoherana hafa ao Zimbabwe [1] indray: “Nosamborina raha vao nigadona fotsiny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Harare ny Sekretera Jeneralin'ny MDC Tendai Biti”: filazana fohy vao azo avy tamin'ny mailaka. Tsy misy na inona na inona fantatra momba azy amin'izao fotoana izao, fa tsy maintsy mampahafantatra anareo haingana araka izay azo atao ihany izahay ary mampiomana anareo hijoro miaraka aminay ary hanampy anay hahita ny fahafahany sady salama tsy marofy.