- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite sy Tobago: Onjam-piovana?

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Etazonia, Trinite sy Tobago, Fifidianana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Tantara

Inoan'ilay mpamaham-bolongana Trinitita Attillah Springer [1] fa hampivoatra zavatra maro ny onjam-piovana entin'i Barack Obama:

 “Onjam-piovana iray tiako handom-baravarana aty amintsika izy ity ka hanaisotra amintsika ny fiesonana sy ny fahabangan'ny fototra politika eto amintsika. Eny indrindra, isika koa afa-manova. Afa-manova ny politikantsika isika.”