13 Jona 2008

Tantara tamin'ny 13 Jona 2008

Zimbaboe: Nosamborina ny sekretera jeneralin'ny MDC

  13 Jona 2008

Famoretana ny fanoherana hafa ao Zimbabwe indray: “Nosamborina raha vao nigadona fotsiny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Harare ny Sekretera Jeneralin'ny MDC Tendai Biti”: filazana fohy vao azo avy tamin'ny mailaka. Tsy misy na inona na inona fantatra momba azy amin'izao fotoana izao, fa tsy maintsy mampahafantatra anareo haingana araka izay azo atao ihany izahay...

Trinite sy Tobago: Onjam-piovana?

  13 Jona 2008

Inoan'ilay mpamaham-bolongana Trinitita Attillah Springer fa hampivoatra zavatra maro ny onjam-piovana entin'i Barack Obama:  “Onjam-piovana iray tiako handom-baravarana aty amintsika izy ity ka hanaisotra amintsika ny fiesonana sy ny fahabangan'ny fototra politika eto amintsika. Eny indrindra, isika koa afa-manova. Afa-manova ny politikantsika isika.”