[SASIN-TENY AVY AMIN'NY MPANDIKATENY : Araky ny fanamarihan'ny namana Jentilisa dia Feso no dikantenin'ny dauphin. Mba hahatsotra ny famakiana ny lahatsoratra anefa dia ny teny Trozona (trondro vaventy be) izay nadika avy tamin'ny lahatsoratra Anglisy hoe Whales no nofidiako hampiasaina]
Tsikaritra tamin'ny voaloamboloahan'ity volana Jona 2008 ity fa nisy andian-trozona manao “loham-boatavo” efa mahatratra ho zato izay “very dia” ka nandao ny ranomasina fonenany mba hamonjy ny faritra be honahona any Antsohihy (faritra Avaratra-Andrefan'i Madagasikara). Ny namana Harinjaka sy ny Fanamby izay fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG] no isan'izay voalohany nitatitra sy nanaitra momba izao voina voajanahary izao sady nanapariaka sary.
Mbola samy eo am-pikarohana izay mety ho anton'izao fiantsonan'ny trozona ho faty tan-tanety izao na ny mponina any an-toerana ny ministera mpiandraikitra [ny fanjonoana ?] izay miezaka koa ny hanavotra ireo trozona vitsy izay mbola tsy namoy ny ainy.
Isan'ireo lalam-pikarohana vitsy izay arahin'ireo manam-pahaizana mikasika izay antony mety ho nahatonga izao izay mety ho otrikaretina (champignon na virus) namely ireto andian-trozona ireto, na koa vokatry ny fampiasan'ny tafika an-dranomasina na ireo orinasa mpikaroka solika an-dranomasina “sonar” [onjam-peo faran'izay iva indrindra].
Fikambanana Malagasy izay mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny Fanamby izay mifantoka amin'ny famporisihina ireo hevitra nipoitra any am-potony sy ireo teknolôjia vaovao sady farany.
Ny namana Harinjaka, izay tsy zoviana amintsika intsony dia sady miasa anivon'ny Fanamby no isan'ireo mpiblaogy izay vy nahitana ny fikambanana Foko-madagascar no mbola mpitatitra momba an'i Madagasikara koa anivon'ny vohikala fampahalalam-baovao vaovao “The observers by France 24“; nanaiky ny hanolotra vainteny vitsy mikasika izao voina voajanahary mampalehelo izao izy (marihina fa teny Frantsay no fiteny nanaovana izany tafatafa izany) :
F: Oviana ary amin'ny fomba ahoana no nandrenesanareo mikasika ireo andian-trozona ireo ?
Harinjaka: Mpitari-dia mpizahatany izay namangy iny faritra iny tamin'ny faha-3-n'ny volana Jona 2008 no nanaitra ny fikambanana Fanamby. Ny sasany tamin'ireo mpizahatany ireo dia naka andian-tsary mba ahafahany manaitra ireo sampan-draharaha amin'ny akamehana manoloana izao voina izao. Ireo faritra honahona izay nitrangan'izao voina izao dia tokony sahabo ho 600 km avy ao an-drenivohitra Antananarivo. Tsy dia ny fihazoana izany toerana izany loatra anefa no olana fa izay fananana ny traikefa sy ny isan'ireo olona izay nilaina hiatrehana ny famonjena ireo trozona mbola tsy namoy ny ainy.
F: Inona no fanazavana izay mitombona indraindra ho antom-pisian'izao toe-java mitranga izao ?
H: Dia mbola vinavina daholo aloha hatramin'izao no eo am-pelatanana, etsy an-daniny hevrina ho aretina tsy mbola tsy nisy fandinihana esty ankilany kosa ny ankamroan'ny olona dia mitatitra mikasika ny sambon'ny orinasa Exxon-Mobile [mpitrandraka solika] izay nandao ny seranan'i Antsohihy tamin'ny faha-3-n'ny volana Jona 2008 [fa tsy ny 2 Jona toy ny voasoratra teo aloha]. Ny ampitson'iny, ny faha-4 Jona 2008 [fa tsy ny 3 Jona toy ny voasoratra teo aloha] dia trozona tsy latsaky ny 40 no indray niantsona sy raikitra, izaho dia isan'ireo izay nanatri-maso maromaro tamin'izy ireny anefa andro iray taty afara [aho vao tonga tany]. Averiko indray fa vinavina daholo izany rehetra izany na dia namarinin'ny gazety aza ny fiantsonan'io sambo io tany amin'ny faritra nitrangan'izany voina izany.
F: Nambaranao fa ohatry ny somary hendratrendratra ireo mponina tany amin'iny faritry iny tamin'ny voalohany?
H: Marina izany, rehefa nahita ireto teratany vahiny izay naka sary izato voina nitranga ry zareo dia sady tezitra izy no niteny ireo vahiny/vazaha [tsy fantatro loatra fa mety ho tafiditra ao anatin'ny vahiny koa ny olona tonga avy any Antananarivo] mba hitondra any lavitra any ireo fatin-trozona ireo. Angamba misy fihevitry ry zareo fa ny vahiny/vazaha no Antvoalohany isan'ny anton'izany voina izany.
Tantara hafa mahatsikaiky koa ny tsy nahafahan'ireo mpikaroka namantatra izay fianakaviana misy ireto karazana trozona ireto anivon'ireo fahita aty amin'ny faritr'i Madagasikara. Taty aoriana vao fantatra fa Peponocephala electra na koa dauphin electra [trozona manao “loham-boatavo”] no karazan'izy ireo.
F: Inona no lesona azo tsongaima sahady avy amin'ity voina iray ity?
H: Misy rohy hentitra mipetraka eo anivon'ny Malagasy sy ny trozona/feso [dauphin]. Tsy mba mihaza azy ireny na mihinana ny henan'izy ireny isika Malagasy nohon'ny lovan-tsofinmtsika izay mitatitra ny famonjena nataon'izy ireny ny mpanjono an-dranomasina fahizay. Eto aho dia te-hanao antso avo : tokony heverina izay hamatsiana bebe kokoa mba ahafahana manome vaha-olana amin'ny fomba haingana ny voina toy itony, sy ireo loza hafa izay manambana ny harem-pisamihafian'ny tontolo iainana [biodiversité].
(Nindramina tamin'i Harinjaka avokoa ireo sary mandravaka ity lahatsoratra ity)
(Naoty: *Ny trozona manao “loham-boatavo” [Melon-headed whales] dia mitondra koa ny anarana hoe Peponocephala electra na dauphin electra.
** misy fijerin'ny vavolombelona hafa nampidirina tao anatin'ity tafatafa ity)
Sokajy

Hiresaka koa
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
6 hevitra
ny dauphin dia feso no anarany amin’ny teny malagasy fa moa ve izany ho fantatry ny maro mpamaky ity bolongana ity?
Misaotra amin’ny fanamarihana Jentiilisa.
Mankasitraka an’i Tomavana nandika ity. (Hi hi, nandramako nadika koa izy ity fa teo amin’ny dikan’ny whales aho dia efa nikatso dia navelako lol).
Fa rehefa hitako ilay hoe trozona vao tadidiko … fa mahagaga indray ny fanamarihan’i Jentilisa. Inona izany ny trozona ? (Miala tsiny somary mihataka ny vaovao).
Miala tsiny fa angamba amin’ny anglisy dia fianakaviana iray ny Dauphin sy ny Baleine. Dauphin ireo maty tany antsohihy , ary FESO no anarany amin’ny teny Malagasy. Ka iza ary izany no nandiso, ny tany Antsohihy ve no ts nahay nanavaka ny Dauphin sy baleine sanatria? hihihi.
adinoko fa ny TROZONA amin’ny teny Malagasy dia BALEINE kosa amin’ny teny Frantsay
Atao akory fa “Traduttore, Traditore” hoy ny hain-teny Italiana na raha adika Malagasy dia “mamadika izay mandikateny” [traduire c’est trahir] 🙂 tsahiviko fa ny lohateny nofidian’ny mpanoratra ny lahantsoratra dia “blogger witnesses whales beaching in madagascar” sady “dolphin” no dikantenin’ny Feso [dauphin]. Misokatra malalaka hatrany anefa ny adihevitra 😉