- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda : Famoretana ny fanaovan-gazety

Sokajy: Oganda, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety [1] ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina amin'ny fanjakana.”