Madagasikara : Nahoana i Afrika no tsy mba avela hijery ny fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny baolina kitra UEFA ?

Raha mbola mankafy eo am-panarahana izay fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny taranja baolina kitra UEFA izao tontolo izao, firenena maro any Afrika no tsy afaka manaraka afatsy lalao 8 monja. Ny namana Jentilisa, dia manazava fa ny fikambanana AFNEX (African Network and News Exchange) no nametra izay isan'ny fifandonana satria izy no nividy ny zo fanapariahana ireo lalao ireo aty amin'ny faritra Atsimon'i Afrika. Satria hoy izy i Afrika no tany nihavian'ireo izay sangany amin'ireo mpilalao amin'ny ankamaroan'ireo ekipa vaventy any Eorôpa sady izay koa tsy ho ela, fa amin'ny taona 2010 no hotanterahina any Afrika Atsimo ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany FIFA dia tsy tokony hoferana amin'ireo izay manankarena izay manana fahita-lavitra notiliana avy eny amin'ny zanabolana fotsiny ihany ireo lalao ireo. Fanantenany amin'ny manaraka raha mba mirotsaka ao amin'ny fifaninanana ny fahita lavitra vaventy Shinoa TV CCTV mba hivarotra amin'ny vidiny mirary amin'ireo firenena kely hery ireo saran'ny fampitana mivantana ireo lalao ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.