- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any Copala

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Any Copala [1] [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [2] [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe hampiasana ny tany, saingy hita amin'ny sary nasehon'i Isabel Pisa, izay ramatoa manano-tena ary manan-janaka efatra, fa trano fisakafoanana sy toeram-pilomanosana no naorina ao an-toerana. Io ambany io ny horonan-tsary napetraky Denuncia Copala [3]ao amin'ny Youtube [4], ary nampaina ny fanazavana an-tsoratra tao amin'ny Overstream [5]. Nanahirana ahy ny nahazo ny lazain-dRamatoa Isabel eo amin'ny minitra voalohany : raha misy manana soso-kevitra dia mametra hevitra mba hahafahako manitsy azy.