Kenya : Izato bibibe antsoina hoe famotsoran-keloka

Kumekucha mandray anjara amin'ny adihevitra mikasika ny adihevitra mikasika ny famotsoran-keloka any Kenya [taorian'ireny herisetra be niseho ombieny ombieny ireny] :

With the two PRINCIPALS taking diametrically opposing stands on the matter, amnesty may as well stand out as the single issue that will determine the gestation period of the Government of Grand Coalition […]

The unpleasant truth remains the fact that the international community forced PNU and ODM into political marriage which the two parties have done little to consummate. At the heart of this amnesty monster lies the protagonists’ core voting blocks. While Kibaki wants to show his Central and its diaspora’s voting base who is in charge, Raila has to disabuse his foot soldiers of the notion that ODM is nothing but a flower girl in the political union […]

Both Kibaki and Raila are simply playing psychological wars to advance their party lines. Such theatrics would be alright were it not for the fact that their action amounts to playing Russian roulette with Kenyans’ lives […]

Selective application of justice cannot remedy any crisis save for soothing individual egos. Those who killed and raped other Kenyans must promptly face the full force of the law regardless of their first language. Similarly the many Kenyan youths locked up for simply demonstrating with placards protesting a STOLEN ELECTION must be freed.

“Miaraka amin'ireo zotra roa mifanipaka izay tratrarin'izy roalahy tena TOMPON'ANDRAIKITRA, mety ho ny famotsoran-keloka no fanontaniana tokana izay hametra na halavan'ny fikotrehana ny governemanta fiombonam-pirenena izay andrasana […]”
Ny marina izay miteraka fahasahiranana dia ny hoe noteren'ny vondromben'ny firenena iraisam-pirenena ireo antoko roa mpifanohitra PNU [Party of National Unity, antoko eo amin'ny fitondrana] sy ODM [Orange Democratic Movement, antoko mpanohitra] mba hivady ao amin'ny raharaha pôlitika, fanambadiana izay zara raha nandraman'ireo antoko roa. Ao anatin'izato bibibe antsoina hoe famotsoran-keloka no andrian'ireo tena mpanohitra izay fatra-pifidy ny andaniny sy ny ankilany. Etsy andaniny i Kibaki [Mwai] te haneho amin'ireo mpomba azy sy ireo diaspôra [zanaka am-pielezana] izay nifidy azy fa izy no tena eo amin'ny fitondrana, etsy ankilany kosa i Raila [Odinga] mila maneho amin'ireo “foloalindahiny” mpomba azy fa tsy tovovavy marefo velively anie ny antoko ODM ao anivon'ny governemanta iombonam-pirenena […]”
Mampiasa paikady samy mampandroso ny antokony toy ny lalao fanorona fotsiny i Kibaki sy i Raila. Tsy misy izay maharatsy azy ireny fampisehoana an-dampihazo ataon-dry zareo ireny saingy ny ain'ny vahoaka Kenyana no lalaoviny andriran'antsy [roulette Russe] […]”
Tsy misy izay ilàna ny fitsarana raha tsy ampiharina amin'ny fomba tsy miangatra izy. Ny fijeren-tavan'olona amin'ny fampiharana azy dia tsy hitsabo velively ny korontana amin'ny alalan'ny fitiavan-tena. Ireo izay namono sy nanolana Kenyana mpiray tanindrazana taminy dia tokony hiatrika faingana ny fitsarana n'inoninona fiteniny [foko misy azy]. Torak'izany koa ireo tanora marobe izay mbola any am-pigadrana nohon'ny hetsika nataony ho fanoherana ny HALA-BATO nandritra ny FIFIDIANANA dia tokony havotsotra avy hatrany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.