Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

08 Jona 2008

Tantara tamin'ny 08 Jona 2008

Japana: Ny lazan'ny tolotra Q&A

Voka-pikarohan’ny NetRatings Japan, Inc. [ja] nivoaka ny 23 May ary nivoaka tao amin’ny japan.internet.com [ja] no namoaka fironana vitsivitsy nanaitra [ja] nalaina avy amin’ireo mpampiasa aterineto Japoney. Tanatin’izany rehetra izany, ny fanadihadiana no nahita fa arakaraky ny fitombon’ny fotoana lanin’ny olona eo amin’ny aterineto, dia toa tsy ary ambony tsy...

Puerto Rico, U.S.A.: Mainty & Fotsy

Gil the Jenius dia mihevitra fa tokony haka lesona iray na roa amin’ny zava-bitan’i Barack Obama i Puerto Rico : “Ekena fa misy fanavaham-bolon-koditra ao Puerto Rico. Ekena fa misy fiantraikany eo amin’ny resaka politika izany. Nefa raha hilaza ianao fa tsy mampaninona izany, na hoe tsy misy fotsiny izao,...

Bermudes: Nitsimbadika ny fandraràna

Sorena ny mpitoraka bilaogy avy any Bermudes noho ny Mpitondra tenim-panjakana nanilika ny fandraràny tamin’ny fanontanian’ny zokiolona Parlemantera iray izay niantefa tamin’ireo Minisitra. Vexed Bermoothes : “Ny fanaovany izany dia fampibaribariany ny fisian’ny zava-tsy manjary any anatin’ny andrim-panjakana Bermuda any mba hanalavirana ny mangarahara sy ny maha-tompon’antoka ao anatin’ny governemantantsika...

Bahamas: Fandinihana momba ny hazo

“Manao ahoana ny momba antsika sy ny hazo? Toa mivoitra fa ny zava-mahasoa (fahatsaràna) — dia ny rivotra madio sy fahatoniana ary alokaloka — dia tsy laharam-pahamehana intsony mihitsy ho an’ny tanan-dehibentsika”: I Nicolette Bethel dia niangavy mafy ny namany Bahamians mba hisaina ny fiainana anaty tontolo iray ka ho...

Tanzania: milina fikarohana avy any Tanzania

White African dia nahatsikaritra tranonkalam-pifandraisana roa vaovao avy any Afrika Atsinanana: “Bongoza dia milina fikarohana natao ho an’i Tanzania. Nanitikitika ahy ny fisainana hoe milina fikarohana iray isaky ny firenena. Ny mahazatra ahy dia ny misaina fa hoe izay milina fikarohana lehibe dia tokony ho azo anaovana ny asa rehetra...