Dan Klotz no manapariaka ao amin'ny Cape Verde Basketball mikasika an'i Perdo Gomes izay mpilalao Baskety avy any Cap Vert :
Pedro Gomes is a very important part of the national team, a key man behind the scenes, involved with virtually everything to do with both the men’s and women’s national basketball teams of Cape Verde, the CVNT. Pedro has a very interesting history. At the moment, he is working for the United Nations, UN, on various anti-terrorism and anti-drug trafficking programs […] Pedro is just over 30 years old, but has accomplished much even at this young age […]
Pedro came to the US to attend college and play basketball. He went to the University of Massachusetts-Boston, the school founded by the late US President John F. Kennedy. At U-Mass, Pedro became a star basketball player. At 6′5″, he was made for the sport. Pedro went on, after graduating from the university, to play as a member of the Cape Verde National Team.
Pedro also played professionally, for several seasons, in Portugal. With this long and successful experience of playing basketball, Pedro has, in recent years turned his attention to the development of the sport in a variety of ways […]
In addition, Pedro helps to identify talented Cape Verdean basketball players, and support them when possible. One recent example: Pedro helped get Vinny Lima the information and support necessary for Vinny, a 6′9″ forward who is a young member of the national team, and has now enrolled at Northeastern University in Boston, where he plays on the Northeastern Huskies basketball team […]
In recent years, and sometimes along with the UN, Pedro has arranged basketball camps for children that have brought NBA stars to Cape Verde […]
Congratulations, Pedro, for all of your hard work!
“Tena olona manana ny toerany mihitsy anivon'ny ekipam-pirenen'i Cap Vert [baskety] i Pedro Gomes, izaysady mpivoy any ambadiky ny sehatra, no nanana anjara goavana amin'izay rehetra mahakasika ireo lehilahy sy vehivavy anivon'ny ekipam-pirenena baskety any Cap Vert, dia ny CVNT izany [Cape Verde National Team]. Mahaliana ny tantaran'i Pedro. Ankehitriny izy dia mpiasan'ny Firenena Mikambana, misahana sehatra maro toy ny fiadiana amin'ny fampihorohoroana [na terôrisma] sy ny fametrahana drafitr'asa natao hiadiana amin'ny fanapariahana ny varotra zava-mahadomelina […] vao 30 taona mahery kely monja i Pedro, anefa dia efa manana traikefa tokoa tsy araky ny hatanorany [… ].”
Nandrato fianarana tany Zamerika i Pedro sady nilalao baskety tany koa. Tao amin'ny Anjerimanontolon'i Massachusetts-Boston, izay sekoly najoron'ny filoha Amerikana fahiny John F. Kennedy, izy. Tao amin'ny Anjery-Mass [U-Mass], dia nanajry kalazan'ny taranja baskety i Pedro. Amin'ny haavo mahatratra 1,96 metatra [6'5″], dia azo ambara fa tena natao hoan'ity taranjam-panatanjahantena ity mihitsy izy. Taorian'ny nahazahoany ny diplaomany tao amin'io Anjerimanontolo nianarany io no nanombohany nilalao tamin'ny ekipam-pirenen'i Cap-Vert.
Mpilalao baskety matihanina [pro] nandritra ny tonon-taonam-pilalaovana maro tany Pôrtigaly koa i Pedro. Taorian'izany fotoana maro nilalaovany izay nandratoany traikefa maro izany dia nitodi-doha amin'ny fivoizana ny fanatanjahan-tena amin'ny fomba maro samihafa indray no nimasoan'i Pedro […].”
Fanampin'izany, nametraka drafitra ho fikarohana ireo mpilalao baskety zandriny izay manan-talenta, sy ny fanohanana azy ireo arak'izay azo atao, i Pedro. Ohatra amin'izany : nampian'i Pedro amin'ny alalan'ny tolotra vaovao sy fanampiana samihafa ny mpilalao baskety Vinny Lima izay isan'ny zandriny indrindra tanivon'ny ekipam-pirenena, ary mahatratra ny haavo 2,06 metatra [6'9″], izay mandrato fianarana any amin'ny Anjerimanontolo Avaratra-Atsinanan'i Boston ankehitriny, ary milalao anivon'ny ekipan'ny Northeastern Huskies […].”
Nandritra ny taona maro lasa tato ho ato izay, indraindray vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena Mikambana, dia nanatanteraka lasin'ny baskety izay nahafahan'ireo ankizy any Cap Vert, nihaona tamin'ireo mpilalao kalazan'ny baskety NBA Amerikana i Pedro […].”
Maneho ny fankasitrahana anao ry Pedro, tamin'izay rehetra filofosanao [hoan'ny Baskety aty Cap Vert].”