Sômalia : Famonjena an'i Sômalia

Rob Crilly mpanao gazety mahaleotena, fotsy hoditra izay monina any Nairobi, any Kenya, no mitatitra mikasika an'i Afrika hoan'ireo gazety fanta-daza miteny anglisy maro [The Times, The Irish Times, The Daily Mail, The Scotsman and The Christian Science Monitor] no mizara izay fandinihany ny toe-javatra Sosialy sy Pôlitika mipetraka ankehitriny any Sômalia :

It seems in the rush to apply standard developmental thinking no-one has remembered that this is Somalia. Policies are being implemented that would have been risky in fragile states emerging from war, the Ugandas, Rwandas and Ethiopias. But Somalia is no longer a fragile state or even a failed state. It is a post-failed state, with its own mechanisms and institutions for survival.

“Araky ny fahitako azy, tao anatin'ny fahamaihana hametaka ny toe-tsaina fampandrosoana mahazatra, tsy nisy na dia iray aza nahatsiaro fa i Sômalia anie ity resahina ity e. Napetraka ireo drafitr'asa izay heverina ho sahisahy raha nampiharina tamin'ireo firenena marevo izay vao mitraka avy nisedra ady no napetraka toa an'i Oandà sy Roandà ary Ethiopia. Saingy tsy mba firenena marevo izay vao mitraka avy nisedra ady i Sômalia, na koa firenena lamokany [atody tsy foy, tsy nahavanona zanak'akoho]. Fa firenena lamokany-fahiny [efa amin'ny dingana manaraka], izay manana ny rafitra manokana ho azy sy ireo tetitetika madinidinika samihafa mipetraka hiadiany hoan'ny maha-izy azy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.