Afrika Atsimo : Mirongatra avy any amin'ny toeran'ny fahadisoana

Alex B. Hill mpiblaogy Amerikana ao amin'ny When not in Africa [rehefa tsy any Afrika] no mijoro vavolombelona amin'izay herisetra natao ireo vahiny mpiavy mpilaravinahitra natrehiny maso tany Afrika Atsimo, sy manolotra famoaboasana mikasika ny tantara :

What follows below is a chronology of my journal entries leading up to and during the violence. My thoughts and analysis will be limited by internet cafe time […]

The current violence is a direct result of the “new” South African government's failure to deliver on promises and assist people in recognizing that a 350 year evil takes more than 10 years to reverse. History can only truly be flipped on its head by your elementary and high school textbooks that fail to teach you the truths of slavery, the horrendous extermination of indigenous peoples of america and the blaring evil that was apartheid with US support. We claim to know and study history, but what do we really know? Who is teaching you history? (His)story – who's story are you learning? What story will you hold on to and teach your children? His, hers, or yours?

“Izay voarakitra manaraka eto dia izay zavatra niainako taloha sy nandritra ny nitrangan'ireo herisetra. Voafetran'ny fehim-potoana izay laniako eto amin'ny « cyber » ihany izay saintsaiko sy famoaboasana mety hataoko […]”
Izao herisetra ankehitriny izao dia vokatry ny tsy fahatanterahan'ny governemanta « nohavaozina » any Afrika Atsimo ny hametraka ireo fampananatenana nataony sy hanampy handresy lahatra ny vahoaka fa izay ratsy niaretana nandritra ny 350 taona dia tsy voafafa ao anatin'ny 10 monja. Ny fandrarahana ny tantara raiketin'ireo boky fampianarana amin'ny lohan'ireo mpianatry ny ambaratomga voalohany sy faharoa,  ho fomba fampianarana izany taranja tantara izany dia tsy ampy velively hahafantarana izay tena marina mikasika ny fanandevozana, ny fandripahana mahatsiravina natao ireo mponina indizenin'i Amerika sy ny haratsiana mihariharin'ny fanavakavaham-bolon-koditra « apartheid » izay notanterahina ambany fanohanan'ny fanjakana Amerikana. Milaza azy ho mandinika ny tantara isika, anefa inona no mba fantatsika marina ? Iza no mampianatra anao ny tantara ? Tantarany [his = izy, story = tantara] – Tantaran'iza marina no ianaranao ? Tantara manao ahoana no horaketinao sy hampitainao amin'ireo zanakao ? Ny an-drangahy ity ve, sa ny an-dramatoa ity, sa ny tantaranao [arak'izay natrehinao maso] ?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.