- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika : Resaka vary sy izay fahaleovantenantsika

Sokajy: Japana, Mozambika, Fifandraisana iraisam-pirenena, Sakafo

Manoina ny antso avon'ny fanjakana Japôney mba hisian'ny fiaraha-miasa hanampy an'i Afrika, mba hampitombo avo roa heny ao anatin'ny folo taona ny vokatra vary any Afrika [1], nandritra ny fivoriambe Iraisam-Pirenena TICAD [Tokyo International Conference on African Development] izay natao tany Yokohama, any Japàna, i Elísio Macamo no mizara ny fanontaniany [2] ao amin'ny Ideias críticas [hevitra fitsikerana] :

Passados dez anos a produção de arroz em África é o dobro do que é hoje. A população manteve-se constante? O nosso paladar manteve-se constante? O nosso estilo de vida manteve-se constante?

“Afaka Folo taona, ho avo roa heny [monja] ny vokatra vary aty Afrika raha manoatra izay ankehitriny. Moa tsy hihetsika va ny isan'ny mponina ? Moa tsy hiova va izay fomba fisakafoanantsika ? Moa tsy hivoatra va izay fomba fiaianantsika andavan'andro ?”.