- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia : Ny andron’ny ankizy

Sokajy: Armenia, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Nolazain’i Unzipped (tsy voafintina) fa somary nihilana ho amin’ny lafiny politika kokoa tamin’ity taona ity ny fanamarihana manerantany ny andron’ny ankizy, isaky ny voalohan’ny volana jona, nomarihan'ny fianakavian’ireo mpanohitra notazonina am-ponja omaly (voalohany volana jona)tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana nataony  teo akaikin’ny biraon’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana tao afovoan-tanànan’ Yerevan izany. Miantso no governemanta armeniana ny bolongana mba tsy hanao fanambarana momba ny zon’ny ankizy, fa hanome valiteny mahafapo ny fangatahan’ny (masoivoho) iraisam-pirenena hamotsorana ny rain’izy ireo [1], maro amin’izy ireo manko no voafonja noho ny fazotoana politika ananany