Nolazain’i Unzipped (tsy voafintina) fa somary nihilana ho amin’ny lafiny politika kokoa tamin’ity taona ity ny fanamarihana manerantany ny andron’ny ankizy, isaky ny voalohan’ny volana jona, nomarihan'ny fianakavian’ireo mpanohitra notazonina am-ponja omaly (voalohany volana jona)tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana nataony teo akaikin’ny biraon’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana tao afovoan-tanànan’ Yerevan izany. Miantso no governemanta armeniana ny bolongana mba tsy hanao fanambarana momba ny zon’ny ankizy, fa hanome valiteny mahafapo ny fangatahan’ny (masoivoho) iraisam-pirenena hamotsorana ny rain’izy ireo, maro amin’izy ireo manko no voafonja noho ny fazotoana politika ananany