- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : Firenena faha-47 “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra”

Sokajy: Tonizia, Ady & Fifandirana

zizou from Djerba no mitatitra fa laharana faha-47 amin'ireo firenena “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra” manerana izao tontolo izao i Tonizia [1], araky ny filaharana napariaky ny Global Peace Index [2]:

La Tunisie est malheureusement passe de la 39eme place en 2007 a la 47 eme en 2008… On reste quand meme parmi les pays les plus surs de la region arabe puisque nous sommes classe a la 5 eme position precede par Oman, Qatar, UAE et le Koweit… On est mieux classe au niveau africain puisqu'on est a la 4 eme place derriere le Ghana, Madagascar et le Botswana…

“Indrisy fa nihemotra avy tamin'ny laharana faha-39, tamin'ny taona 2007 ho amin'ny laharana faha-47, amin'ity taona 2008 ity i Tonizia … Na dia izany aza isan'ireo firenena izay anjakan'ny fandriam-pahalemana indrindra aty amin'ny faritra arabo misy antsika isika satria faha-5, ary ny Oman, sy Qatar, sy ireo Vondrom-Panjakana Arabo [UAE | EAU Emirats Arabes Unis] ary i Koweit ihany no eo alohantsika … Raha mikasika ny faritra Afrikana indray dia faha-4 isika, manarakaraka an'i Ghana, sy Madagasikara ary Botswana …”