Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tonizia : Firenena faha-47 “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra”

zizou from Djerba no mitatitra fa laharana faha-47 amin'ireo firenena “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra” manerana izao tontolo izao i Tonizia, araky ny filaharana napariaky ny Global Peace Index:

La Tunisie est malheureusement passe de la 39eme place en 2007 a la 47 eme en 2008… On reste quand meme parmi les pays les plus surs de la region arabe puisque nous sommes classe a la 5 eme position precede par Oman, Qatar, UAE et le Koweit… On est mieux classe au niveau africain puisqu'on est a la 4 eme place derriere le Ghana, Madagascar et le Botswana…

“Indrisy fa nihemotra avy tamin'ny laharana faha-39, tamin'ny taona 2007 ho amin'ny laharana faha-47, amin'ity taona 2008 ity i Tonizia … Na dia izany aza isan'ireo firenena izay anjakan'ny fandriam-pahalemana indrindra aty amin'ny faritra arabo misy antsika isika satria faha-5, ary ny Oman, sy Qatar, sy ireo Vondrom-Panjakana Arabo [UAE | EAU Emirats Arabes Unis] ary i Koweit ihany no eo alohantsika … Raha mikasika ny faritra Afrikana indray dia faha-4 isika, manarakaraka an'i Ghana, sy Madagasikara ary Botswana …”

2 hevitra

  • Nihemotra laharana 2 koa i Madagasikara : faha-43 ankehitriny taona 2008, raha faha-41 tamin’ny tatitra taona 2007 🙁 Marihina fa firenena miisa 140 no nalahatra [121 tamin’ny 2007].

    Ireo 5 voalohany 2008 dia : Iceland 1 | Danmarka 2 | Norvezy 3 | Neo-Zealandy 4 | Japàna 5.

    Ireo 5 mamarana ny filaharana 2008 kosa : Israely 136 | Afghanistàna 137 | Sodana 138 | Somalià 139 | Iràka 140 [taona 2007 : Nizeria 117 | Rosia 118 | Israely 119 | Sodana 120 | Iràka 121].

  • Mbola mba faha-2 izany isika eto Afrika !

    Lol, faha-116 South Africa !

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.