- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta : Fampijaliana azo ekena ihany

Sokajy: Ejipta, Lalàna, Teknolojia, Zon'olombelona

Zendana ny mpiblaogy Egyptiana Mostafa raha nahatsikaritra taorian'ny fanadihadiana notanterahiny anivon'ny mpiray dia ao amin'ny vohikala Facebook, fa misy ireo namany izay mihevitra fa azo ekena ihany ny fampijaliana atao ny olona iray, mba hanongotana an-tery izay tiana ho fantatra [1] mandritra ny fampanoavana azy.