Afrika Atsimo : Iza no homen-tsiny amin'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra ?

Oluniyi David Ajao dia mihevitra fa ny governemanta no tompon'andraikitra voalohany amin'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any Afrika Atsimo :

No one hates foreigners like South Africans do. South Africa is said to be officially the most xenophobic nation in the world. So much for being xenophobic and all that but why go to the criminal extent of murdering about 50 immigrants? South Africa’s President Thabo Mbeki was reported to have described the saga as “disgraceful” but I say it is far more than disgraceful. It is outrightly criminal and those behind the attacks must be prosecuted to the full extent of the law!


I put the blame of the criminal attacks fully at the doorstep of the South African government […]


Show me a great nation, and I will show you a nation where immigrants have played a significant role in the development of that nation’s economic development. No single nation can do it alone.

This serious attack on foreigners in addition to the recent power crisis is making me wonder: is this Rainbow nation on the brink of an implosion? So much for African Union and all that… ”

“Tsy mbola nisy fankahalana ireo vahiny mpiavy mpilaravinahitra toy ny fankahalana izay nasehon'ny Afrikana Tatsimo. Ambara fa i Afrika Atsimo no firenena faran'izay mpankahala mpiavy indrindra manerana izao tontolo izao. Izay ny momba ny fankahalana mpiavy fa ahoana kosa ny mikasika ny tsy fanarakarahana ara-pitsarana ireo izay namono nahafaty ireo mpiavy miisa 50 ireo ? Afrika Atsimo izay entin'ny filoha Thabo Mbeki dia namaritra ireo zava-miseho ireo ho toy ny “mahamenatra”, izaho indray anefa dia mihevitra fa mbola lavitra noho izay teny hoe mahamenatra fotsiny no tena izy. Fandikan-dalàna tsotra izao no nitranag ary ireo rehetra izay tompon'andraikitr'ireo fanafihana ireo dia tokony harakarahina sy tsaraina arak'izay lalàna manan-kery mihitsy !”
Izaho dia mametraka eo an-tokonan'ny governemanta Afrikana Tatsimo ireo tsiny vokatry ny fandosirany ny andraikiny ara-pitsarana […]”
Asehoy ahy izay firenena matanjaka, dia hasehoko anareo ireo anjara-biriky manan-danja izay nentin'ireo vahiny mpiavy mpilaravinahitra amin'ny fampandrososana izany firenena matanjaka izany sy fampitomboana ny harinkareny. Satria tsy misy na dia iray aza, firenena matanjaka izay nahavita tena.”
Ny fitrangan'ireo fanafihana mahery vaika ireo vahiny mpiavy mpilaravinahitra ireo izay taoriana kelin'ny krizin'ny fitondrana dia mampanontani-tena ahy raha : eo amoron-tevana [madiva hipoaka, hiady an-trano ?] ity firenen'ny lokon'ny avana [arc-en-ciel] ity ? Herimpò re izao atobatobaka any amin'ny fanorenana ny Fiombonan'ny Afrikana [any ivelany] izao anefa izao no zava-misy [ato anatiny] … ”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.