Kôngô (RDK) : Fitsarana manao mizàna tsindrian'ila ny fisamborana an'i Bemba

Siasa Duni no mizara izay fomba fijeriny ny fisamborana an'ingahy Jean-Pierre Bemba, mpitarika ny antoko mpanohitra any Kôngô (RDK) :

Congolese opposition leader Jean-Pierre Bemba was arrested in Brussels on Saturday night on an International Criminal Court (ICC) warrant for war crimes.

Bemba is accused of having led a campaign of mass rapes, torture and pillage six years ago in the Central African Republic (CAR), where he had been called in by then president Ange-Felix Patasse to quell an attempted coup d’etat. The arrest is likely to be seen as politically-inspired, both in the DRC and the CAR […]

As long as you commit atrocities as part of the government army, they do not qualify for war crimes, seems to be the message. There is the risk of another signal Bemba’s arrest might send to Africa: Don’t stop fighting or accept defeat in elections because they’ll drag you to The Hague.

“Nosamborina tany Bruxelles tamin'ny harivan'ny Asabotsy, noho ny fiampanganan'ny FIP [Fitsarana Iraisam-Pirenena na TPI Tribunal pénale internationale] azy ho nahavita heloka bevava an'ady [crimes de guerre] ingahy Jean-Pierre Bemba mpitarika ny antoko mpanohitra any Kôngô (RDK).”
Ampangaina ho nitarika andiana fanolanana olo-marobe, sy fampijaliana ary fandrombana tany amin'ny Repoblika Ivon'i Afrika [RIA na République centrafricaine, RCA] enina taona lasa izay i Bemba, raha nantsoin'ingahy Ange-Félix Patassé izay filoham-pirenenan'ny RIA izy tamin'izany fotoan'andro izany mba hampandry tany taorian'ny tetika “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena tsy nahomby tany RIA. Samy mamofompofona paika pôlitika avy amin'ny RDK sy avy amin'ny RIA ity fisamborana an'i Bemba ity […]”
Raha mbola ao anivon'ny maha-foloalindahim-pirenena anareo no anatanterahanareo na dia izay faran'izay fampijaliana aza dia tsy heverin-ndry zareo ho toy ny heloka bevava an'ady izany, toa izany no votoatin'ny hafatra tiana ampitaina. Misy koa anefa fomba fihevitra hafa izay ahiana handraisan'ny any Afrika izao fisamborana an'i Bemba izao : Aza manaiky ny hametra-piadiana na koa manaiky izay faharesena ara-pifidianana fa andrao dia arakarahin-ndry zareo hatrany La Haye [foibe itoeran'ny Fitsarana Iraisam-Pirenena, FIP] eo ianareo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.