- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha

Sokajy: Malawi, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi [1] notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no mitatitra izay fizotry ny raharaha teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenan'i Kamuzu any Lilongwe [2] izay nosafidian'ny Pôlisy hanatanterahana izany raha niverina avy amin'ny dia tany amin'ny Fanjakana Mitambatra [Angletera] ny filoha taloha Muluzi :

After the dramatic arrest right inside the Kamuzu International Aiport grounds at around 2.45 pm, the UDF Chairman was 30 minutes later whisked into a waiting Malawi Armed Forces Military Plane the 16 Seater Dornier which flew him straight to Blantyre.

Muluzi’s son Atupele confirmed that his father has been charged with treason.

However, government yesterday declined to immediately comment on the arrest which drew tension inside the city of Lilongwe with running battles between the police and UDF supporters who, angered, with the development closed roads especially those leading to KIA […]

“They have arrested the former President apparently on treason charges. They don’t have a warrant, they refused him to leave the airport, they want to take him in a military aircraft to an undisclosed location,” said Atupele, who was the only top UDF politician and Muluzi’s closest ally allowed into the airport grounds, soon after the arrest.

Soon after the arrest Police also instantly moved in to disarm the former head of state’s government security personnel.

“Taorian'ny fisamborana tamin'ny fomba mampalahelo izay nitranga tamin'ny 14:45 ora tolakandro tao amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Kamuzu, ny filohan'ny antoko UDF [United Democratic Front] dia nasitrika tao anatin'ny fiaramanidina Dornier izay misy seza miisa 16, an'ny tafika an'habakabaka Malawiana, izay nisidna mivantana ho any amin'ny tànanan'i Blantyre.”
Atupele, zanak'i Muluzi no nanamarina ny fanoavana ny rainy ambany fiampangana azy ho mpamadika [“fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena].”
Nandà ny hanolotra fanazavana avy hatrany mikasika izany fisamborana izany anefa ny fitondrana, ka nitarika fihasarotan'ny raharaha sy nahitana fiantombohan'ny fifanoherana teo amin'ny Pôlisy sy ireo mpomba ny antoko UDF izay tezitra, misy koa ireo làlana tapaka indrindra ireo làlana izay mitondra mankany amin'ny KIA [Kamuzu International Airport | seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Kamuzu] […]”
“Toa ambany fiampangana azy ho mpamadika no nisamborana ny filoham-pirenena teo aloha. Tsy nisy taratasy ara-dàlana akory teo am-pelatanan'ny Pôlisy fony ry zareo nanatanteraka izany fisamborana izany, sady tsy nomena alàlana ny handao ny seranam-piaramanidina akory izy, fa tian-dry zareo Pôlisy entina am-piaramanidin'ny tafika an'habakabaka any amin'ny izay toerana izay tsy misy mahalala” hoy ny fanambaran'i Atupele, izay sangany hany tokana avy amin'ny antoko UDF sy olona akaiky an'i Muluzi, navela hiditra tao amin'ny seranam-piaramanidina taorian'izany fisamborana izany.”
Fotoana fohy monja taorian'izany fisamborana izany koa dia nizotra [tany an-tranony] mba hanangonana sy higiazana ireo fitaovam-piadiana ampelatanan'ireoi mpiambina ny filoham-pirenena teo aloha ny Pôlisy.”

Ny fisamborana an'i Muluzi [3] dia nitranga taorian'ny fisamborana olona valo izay manam-pahefana sy sangany amin'ny antoko mpanohitra izay samy efa navotsotra vonjimaika natakalo tamby vola ara-pitsarana avokoa ankehitriny [mandra-piandry izay fivoatry ny fikarohana].

Mandritra izany fotoana izany, manatrika fivorian'ireo filoham-pirenena Afrikana any Japàna [4] kosa ny filoha Malawiana Bingu wa Mutharika.

Mifanohitra ireo fomba fijery [5] manoloana ireo andiana fisamborana ireo. Ankehitriny dia eo am-panatanterahan fitsapàna hevi-bahoaka [6] mikasika izay fijerin'ny Malawiana ireo fisamborana ireo ny mpiblaogy Malawiana [7] iray.