- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nizeria/Afrika Atsimo : Nizeria miatrika an'i Afrika Atsimo

Sokajy: Afrika Atsimo, Nizeria, Fifandraisana iraisam-pirenena, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Nanjaboy avy any Nizeria, no mizara izay fomba fijeriny ny izao krizy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra [1] any Afrika Atsimo izao :

Lest we have forgotten, Nigerians economy now harbors the best of their businesses. For goodness sake, the lists of Nigerian-based multinational companies wholly owed or controlled by South Africa people or government is far greater than the hundreds of Nigeria migrants residing in that country. Nigerians are not destroying any of MTN’s installation even when their services are poor and genuine reasons to rampage are evident.

“Sao dia hadinontsika sahady ary fa mampiantrano ireo isan'izay sangan'ny orinasa [Afrikana Tatsimo] ankehitriny ny harinkarena Nizeriana. Ho fampahitsahivana fotsiny no ilazako fa mihoatra lavitra noho ireo Nizeriana mpilaravinahitra mialokaloka sy monina aman-jatony any Afrika Atsimo ny lisitr'ireo orinasa iraisam-pirenena izay voizin'ny vola Afrika Tatsimo na feheziny tanteraka. Tsy mba potehin'ny Nizeriana ireo fitaovan'ny orinasa Afrikana Tatsimo mivoy finday NTM [Mobile Telephone Networks] na dia iraha-miaiky aza fa iva ireo tolotra ataony ary ireo fitaovana ampiasainy dia mitsipozipozy tanteraka.”