Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

India : Ny boky masina Kôran sy ny tafika Amerikana

Indian Muslims Blog [Blaogin'ny Silamo any India] no mitatitra ny nanaovan’ ireto miaramila Amerikana ny boky masina Kôran ho ivon-kendrin'ny tifitra bala any Iraka :

On May 9, 2008 American soldiers were practicing target shooting in the police station of Radhwaniya on the western outskirts of Baghdad. They had clearly marked the centre of a copy of the Quran for this purpose. Afterward the bullet ridden copy was retrieved by an Iraqi policeman, Abdullah. There were fourteen bullet marks and the pages of the holy book were scrawled with graffiti. Since then the Americans have pulled the particular sniper soldier out of the country and flown him to US.

In the past US officials were dismissive in their attitude and did not tender any apology. Their attitude is summed up what the soldier in charge said when US planes had bombed a marriage party. A senior officer had remarked: “Hey, bad people can have parties too.” In the case of the shooting the Koran the New York Times reporter described the reaction of the people as irrational popular anger [May 20].

“Nanatanteraka fanazarantena fitifirana tany amin'ny tobin'ny Pôlisy any Radhwaniya, any amin'ny faritra Andrefan'ny renivohitra Bagdad, any Iraka, ny miaramila Amerikana tamin'ny 9 May 2008. Ny boky masina Kôran indrindra no nampiasainy hampiharihariana ny ivon-kendry tamin'izany. Rehefa tapitra ireo andian-tifitra dia nalain'ny Pôlisy Irakiana iray mitondra ny anarana hoe Abdullaha ilay sisam-boky. Diam-bala tsy latsaky ny 14 no tsikaritra tao ary nisy koa nanisy soratsoratra tamin'ny pejin'io boky masina io. Taorian'ireo zava-nitranga ireo dia notsoahina tany Iraka ireo miaramila mahitsi-tifitra ireo ary dia nampodiana any Zamerika.”
Tamin'ny fisehon'ny zavatra toy itony tany aloha, tsy mba fomban'ireo tompon'andraikitra Amerikana mihitsy ny manolotra fialantsiny fa miala andraikitra aza no fanaony. Raha aravona ny fomba famaliny dia toy izay nambaran'ity miaramila tompon'andraikitra iray taorian'ny nandatsahan'ireo fiara-manidina Amerikana baomba tamin'ny firavoravoana nohon'ny fampakaram-bady : “Fa angaha moa heverinareo fa tsy mba hifety ireo jiolahy.” Raha ny momba ity resaka Kôrana indray dia notaterin'ny mpanao gazetin'ny New York Times ho toy ny tsy mitombona sy tafahoatra loatra ny haromotan'ny vahoaka raha nandre ity tantara ity [20 May 2008].”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.