Afrika Atsimo : Ry mpiblaogy, andeha hiara-mientana !

Miantso ireo namany mpiblaogy fotsy hoditra any Afrika Atsimo i Mike Stopforth hiara-mientana hanoherana ireo fanafihana mahery vaika izay sedrain'ireo vahiny mpiavy any Afrika Atsimo :

It’s on that note that I’d like to encourage you, my fellow bloggers and business people, to join me in doing something about it. We know we have the collective influence to make a big noise about very little, but can we prove that we can also make a difference for good? We can start small and if this has legs, I’ll take it up the next level with big media and NGO’s nationwide.

What can you do? Firstly, spread the word – let’s get as many people as possible thinking and talking about small (or large if you can) donations of food, clothing, blankets, etc. Pull old clothes out your cupboards, grab old towels and sheets – if you’re anything like me you have stacks of stuff lying around you don’t need / use.

“Amin'io raharaha io no tiako hanentanana anareo, ry namana mpiblaogy mpiara-dia, ry mpandraharaha isany mba hiara-mientana handray andraikitra miatrika izany zavatra izany. Isika mahalala fa afaka miaraka manova ny toe-draharaha isika amin'ny fanapariahana ny feo mikasika izay kely ataontsika, anefa ve isika dia mba afaky ny hanaporofo koa fa afaka ho fototra fanatsarana ny toe-draharaha isika ? Afaka manomboka amin'izay zavatra madinidinika ihany isika, ary “raha manan-tongotra” izy ireny, dia ny fanentanana ireo fantsona fampahalalam-baovao manerana ny firenena sy ireo Fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG] no tanjoko manaraka.”
Izay azonareo tanterahina ve ? Ampitapitao amin'ny namana izao vaovao izao – aoka isika ho maro arak'izay azo atao no hikaon-doha sy hifanakalo-hevitra mikasika izay zavatra kely (na vaventy arak'izay fahefa-manaon'ny tsirairay) atolotra ho fanomezana toy ny sakafo, sy akanjo, sy bodofotsy, sns … Avoahy avy tamin'ny fitoerana nampirimana azy avokoa ireo akanjo mafana tranainy tsy anaovanareo intsony, raiso ireo servieta sy drap efa antitra – satria raha mitovy amiko ianareo dia tsy maintsy ho feno zavatra antitra tsy ilainareo intsony mipetrapetraka eny manodidina eny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.