- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cap Vert : Adiny telo ny filaharana hifidianana

Sokajy: Cap Vert, Fifidianana

Eileen Barbosa no mitatitra ao amin'ny Soncent fa naharitra hatramin'ny adiny telo ny filaharana hifidianana omaly [Alahady 18.05.2008] [1] tany Cap Vert :

Pessoalmente, achei muito pouco admissível, mas muita gente foi mais longe e… desistiu! Pudera, mais de três horas à espera, num Domingo… Esperemos que tenha sido a primeira e última vez que isto aconteceu!

“Raha izaho manokana aloha dia mahita fa tena tsy rariny mihitsy, satria betsaka ireo izay niainga avy lavitra … anefa dia lasa tsy nifidy nony farany [nohon'ny halavan'ny filaharana] ! Tsy azo omena tsiny izy ireny, aiza ve ka naharitra niandry nihoatry ny ora telo amin'izato andro Alahady … Antenaiko fa izao no fotoana voalohany sady farany itrangan'ny toe-javatra toy izany !”