- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nizeria : Antso hanaovana ankivy ny British Airways

Sokajy: Nizeria, Fifandraisana iraisam-pirenena, Toekarena sy Fandraharahàna

Thy Glory O Nigeria..! [Izato Lazanao ry Nizeria..!] no manapariaka ny antso hanaovana ankivy ny British Airways [1] hoan'ireo Nizeriana mpiray tanindrazana aminy :

Boycott British Airways. We can do with one “less” airline. Nigerians are very respectful and hardworking people and they deserve to be respected. British Airways does not respect Nigerians.

“Andao hatao ankivy ny British Airways [orinasam-pirenena fitanterana an'habakabaka Anglisy]. Mahavita-tena isika na dia “mihena” aza ny isan'ireo orinasam-pitaterana an'habakabaka [mandeha aty Nizeria]. Tena olona manaja ny hafa sy mpiasa mahafatra-po ny Nizeriana ka mendri-kaja. Tsy mba manaja antsika Nizeriana anefa ny British Airways.”