- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dobay : Trozona sy patsa

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Jordania, Fampandrosoana, Tsidika

Sha3teely mpiblaogy Jordaniana no mizara izay eritreriny raha nitsidika ny tananan'i Dobay andro vitsy izy sady nanapariaka sary vitsivitsy [1] :

This trip simply showed me how much poor, unimportant, dispensable and small creature I am… it showed me how big is the world and how far are we. It showed me that there are whales and planktons… I am no more than a tiny plankton.

“Ity dia iray ity, dia nampiharihary tamiko izay farahidin'ny fahantrako, ka sady olona bitika no tsy misy dikany aho … nampiseho tamiko koa izay mety ho halehiben'izao tontolo izao sy izay halavirana mety hanelanelana antsika. Nanambara tamiko fa misy ireo trozona ary misy ireo patsa … ary izaho dia tsy mihoatr'izay patsa bitika.”