- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Nisy nanodikodina ve ny Gazety iray fehezin'ny fitondrana ?

Sokajy: Zimbaboe, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Teknolojia

My Zimbabwe today no manontany tena raha nisy nanodikodina ny vohikalan'ny gazety Herald [1] any Zimbaboe :

The Herald newspaper's website has been down since it was hacked over the weekend. Currently the website will re-direct you to the Sunday Mail website another arm of the government's propaganda machine. The state run Herald's website had all it's links replaced with the words ‘Gukurahundi’ in reference to the government's clampdown on the people of Matebeleland in the 1980s when a lot of civilians were killed by the Korean trained soldiers.

“Natsahatra noho ny fanamboarana hanarenana azy ny vohikalan'ny gazety The Herald nandritra ny faran'ny herinandro lasa teo rehefa avy nisedra fanodikodinana ny mpahay solosaina. Ankehitriny, ireo izay te hitsidika ny vohikala dia arohiny avy hatrany any amin'ny gazety Sunday Mail izay fitaovana fampielezan-kevim-panjakana hafa. Ny vohikalan'ny Herald izay voizin'ny fitondrana eo an-toerana, dia nahitana ny fanoloana ireo roihiny tamin'ny soratra hoe « Gukurahundi » ho fampatsahivana ny famoretana ny vahoaky ny faritry Matebeleland nataon'ny fanjakana tany amin'ny taona 1980 tany ho any, izay namonoan'ireo miaramila nofanin'ny Kôreana vahoaka marobe.”