- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Serbia: Ny fifidianana parlemantera

Sokajy: Kosovo, Serbia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Politika, Tantara

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Eurosmikasika ny fifidianana Serba [1]: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa manaraka ny fifidianana ao amin'ny Euroblogeto [2], eto [3] ary eto [4]. I Eric Gordy indray manaraka ny fifidianana ao amin'ny East Ethniaeto [5], eto [6], eto [7] ary eto [8]. Manoratra [9] i Gray Falcon fa “ny lala-tokana hahazoan'ny Demôkiraty fandresena amin'ny fifidianana dia ny fahfaha-mandingana ilay kajikajy milaza fa tsy ho azony ny maro an'isa ahafahana manangana governemanta.” Hoy ny mpamaham-bolongana  Greater Surbiton ao amin'ny ny antoko radikaly Serba [9] – sy ao amin'ny voka-pifidianana santatra hoe [10]: “[…] Nametraka fanavahana tsara ity fifidianana ity satria na dia banga aza ny fanekena an'i Kosovo, dia voailika ihany koa ny fikororosi-fahana mankany amin'ny fitiavan-tanindrazana  mihoa-pefy. […]”