- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misokatra ny vohikalan'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 !

[1]
Tsindriandaonam-pifaliana izahay manambara aminareo ny fisokafan'ny vohikala [1] mifantoka manokana amin'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 [1] [Global Voices Citizen Media Summit 2008] !

Any Bodapestà, any Hôngria no ifamotoanantsika amin'ity taona ity, ny faha 27 sy 28 Jona 2008. Vangio ny vohikalan'izany fihaonambe izany ahafantaranareo bebe kokoa izay tanjon'izany fivoriana izany [2], ny fandaharam-potoan'ireo hetsika samihafa [3] izay tsy manam-paharoa, ny antsipirihany tokony arahina amin'ny fisoratana anarana [4] hoan'ireo handray anjara ary ireo fanampim-panazavana sy tsara ho fantatra mikasika ny tanànan'i Bodapestà [5], arahin'ny lisitr'ireo blaogy mikasika an'i Hôngria.

Dieny ianareo mbola eo dia azafady mba ampio izahay amin'ny fanapariahana ho fampahalalàna ny Fihaonambe Global Voices [1] amin'ny alàlan'ny fametrahana famantarana manokana na peta-drindrina [6] amin'ny blaoginareo na ny vohikala iandraiketanareo.

Amin'ireo herinandro ho avy manaraka ireo dia hapetrakay ny antsipirian'ny traikefan'ireo olona tsirairay handray fitenenana sy ny lisitr'ireo mpandray anjara, ary manoatra izany — arahò maso eto amin'ny vohikala [1] ny fivoatr'ireo lahatsoratra sy ireo hafatra ifametrahan'ireo mpandray anjara amin'izany fihaonambe izany sy ireo hafa ivelany mba handraisanareo koa anjara amin'izany fifanakalozan-kevitra izany.

Any Bodapestà izany mihaona amin'ny volana Jona e !