Zimbaboe : Lelavola taratasy vaovao … hafa indray !

Kogy no mitatitra ao amin'ny My Zimbabwe today [ny Zimbaboeko anio] fa raha izy manokana dia tsy maharaka intsony izay isan'ny karazana lelavola taratasy samihafa miasa any Zimbaboe :

Anyone knows how many bank notes we now have in Zimbabwe? I have lost count the monetary situation has gone bananas in our beautiful land of milk and honey. The Reserve Bank governor Mt Gideon Gono has just announced the introduction of new banks notes. A new ZW$100 000 000 bank note and also a new ZW$250 000 000 bank note. This is meant to minimise the inconvenience to the banking public.

Only last month the reserve bank introduced $25 million and $50 million bank notes.

“Moa ve mba misy mahafantatra izay isan'ny lelavola taratasy samihafa ananantsika ankehitriny aty Zimbaboe ? Tsy arako intsony ny hamaroan'izy ireny fa zary maro toy ny fampahan'akondro aty amin'ny firenentsika izay tondra-dronono sy tantely. Mt Gideon Gono izay Governoran'ny Banky Foibe dia vao avy namoaka fanambarana ny fivoahan'ireo lelavola taratsy vaovao. Dia ny lelavola ZW$ 100 000 000 sy ny ZW$ 250 000 000. Ny tanjona moa dia ny hampihenana ny fahasahiranan'ny mpanjifa [voatery mirongo andian-lelavola marobe tafahoatra].
[Tsy ela fa] vao tamin'ny volana lasa anefa no nampidirana ireo lelavola vaovao ZW$ 25 000 000 sy ny ZW$ 50 000 000.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.