Arabia Saodita : Ny fahorian'ny vady faharoa

American Bedu no mizara amin'ny mpamaky izay mety ho fahorian'ny vady faharoa any Arabia Saodita :

Following typical tradition she met him when he was outside of the Kingdom, by himself, without a sign or hint of another romantic interest, let alone a wife and family. And oh how a Saudi man can charm…he courted her and charmed her off of her feet. She was confident she had found her Prince Charming and when he proposed whizzing her off on his Magic Carpet to the Magic Kingdom she was ecstatic and could not wait. Her family were concerned she was going to be so far away but at the same time pleased she had found happiness.

The bubble burst though a few months after she arrived in the Kingdom when she learned she was not the only one. He claimed that she was the love of his life as well as the wife in his life. After all, the other wife…the first…was “only” the mother of the children and therefore in that capacity should be respected and therefore no divorce. Are you surprised to learn that she felt devastated and as if her whole world had shattered?

Arak'izay fandre matetika dia tany ivelan'ny Fanjakana Saodiana no nihaonan-dry zareo, izy lehilahy no nitari-dresaka, ary tsy nisy fomba izay mety ho naminaniana fa mitempo fitiavana olon-kafa izy, vao mainka fa hoe efa manam-bady aman-janaka. Ary manao akory moa izato fahaizan'ny lehilahy Saodiana misarisary zoro … nokaotiany ravehivavy ary dia nandadiladiany teo an-tongony mihitsy aza. Resy lahatra [nony farany] fa nahita izato andriandahy tokam-pitiavany izy ka nony nangatahiny hanaradia azy ambonin'ny karpetra mazika izy hiara-manidina any Arabia Saodita dia tsindrian-daona tsy naharitra intsony. Nisy ihany izay fanahian'ny fianakavian-drakalakely amin'izay halavitry ny toerana honenany anefa koa dia faly amin'izato fahasambaram-baovao izay miandry azy.
Volana vitsivitsy taty aorian'ny nahatongavany tany Arabia Saodita dia nipoaka ny marina nony henony fa tsy vady tokana izy. Nantintranterin-dralehilahy fa izy ihany no tokam-pitiavany. Sady ilay vehivavy hafa iray … ilay voalohany … dia renin-janany “fotsiny”, ka noho izany dia mendri-kaja ary tsy hisaraham-panambadiana. Dia ho gaga ve ianareo raha ilazako fa mahatsiaro tena ho rava tanteraka rakalakely, toy ny rava tsy misy mifanongoa intsony izay rehetra manodidina ny fiainany ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.