- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta:rehefa mifangaro ny Finoana sy ny Pôlitika

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Politika

Ao anatin’ity hafany eto [1]ity i Zeinobia [2], Egyptiana mpitoraka blaogy, dia mamely ny Papa Shenouda III [3]momba ny kabariny tamin’ny Paka tamin’ity taona ity.

Mbola mahatsiaro malahelo sy tohina aho tamin’izay nambaran’ny Papa Shounda sy nataony tamin’ity Paka ity tamin’ny vavaka mba haha ela velona an’i Moubarak !! sy nampitandremany ny olona amin’ny fihainoana ireny hagaigena amin’ny aterineto izay hamarina any amin’ny helo ireny!!??

Hoy izy manohy:

Hoy an’ny Silamo dia zava-mahazatra izany, efa hatry ny ela no nahalalako fa ny toritenin’ny Imam any amin’ny Mosquée manodidina anay dia mahazo rariny amin’ny mpitandro filaminana, noho izany tsy dia maharototra ahy loatra izay nambaran-dry zareo, tsy hilazana hoe ireo olom-pivavahana Silamo dia tsy manana ny sata masina ananan’ireo olom-pivavahana amin’ny finoana Kristiana.
Nefa raha sokajin’olona toy ny Papa Shounda eo amin’ny toerany no avy ka hiteny zavatra tsy manjary toy ireny, mikasika ireo mpandala Facebook hoe ho mendy any amin’ny helo, dia mila mijoro isika eto.

Nofaranany toy izao ny hafany:

Tsy misy fialan-tsiny ho an’ny Papa na ny Cheikh-n’i Al-Azhar [4], sahiko ny manao fanamby sy milaza fa tokony hatahotra an’Andriamanitra izy ireo fa tsy ny Filoha.

Ny Cyberactivism, fitorahana blaogy sy fampiasana facebook dia lasa ataon’ireo mpiasam-panjakana Egyptiana andri-maso akaiky tato ho ato, taorian’ny fanoherana nanenika ny firenena tamin’ny 6 aprily [5], izay narahan’ny fitroatr’ireo mpiasa tao Mahalla. Mpitoraka blaogy maro hatramin’ny mpamorona ny vondrona Facebook antsoina hoe 6 Aprily no niaraka tamin’ireo mpanohana anjatony maro, mpanao politika sy passer-bys notanan’ny manam-pahefana hatramin’izay ka hatrizao. Izay eo ihany, ny zava-nisy dia maneho fa tsy ny vondrona Facebook no nahatonga ny fanoherana sy niantso ny mpiasa hitaky karama ambony sy tsaratsara kokoa mba hananana fahefa-mividy miaka-danja.