- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika : Ireo tsy an'asa sy ny andraikitry ny governemanta

Sokajy: Mozambika, Fampandrosoana, Hevitra, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna

Basilio Muhate no manapariaka izay feheviny izay fototry ny maha-avo ny tahan'ireo tsy an'asa sy izay andraikitry ny governemanta manoloana izany [1] any Mozambika :

A Burocracia também é a causa de muitos problemas ligados ao mercado de trabalho pois granded parte das decisões não são coerentes e reais com a realidade econômica, onde os gastos públicos (gatos do Governo) são muitas vezes decididos por via de interesses políticos e não condizentes com o mercado.

“Miteraka olana maro teo anivon'ny tsenan'ny asa koa ny Biraokrasia [fahavesaran'ny fikarakarana ireo atontantaratasy ilaina isan'amabaratongany eo amin'ny fanjakana], indrindra noho ireo fanapahan-kevitra izay tsy mifanaraka amin'ny harinkarena tena izy, na koa ireo fandaniam-bolam-bahoaka (firobaroban'ny fanjakana) izay mifototra amin'ny tombotsoa pôlitika fa tsy mifanaraka amin'izay lalànan'ny ‘ty sy ‘nday [mipetraka eo amin'ny tsena].”