- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angôla : Lalàna mikasika ny fitaovam-piadiana

Sokajy: Angola, Zimbaboe, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika

Cazimar no manapariaka ao amin'ny blaogy África Minha [Ny Afrikako] mikasika ny vaovao izay manambara fa nahazo alàlana ny hiantsona any Luanda mba hametraka “entana” hoan’ Angôla [1] ny sambo Shinoa An Yue Jiang [2] [izay mitondra koa ireo fitaovam-piadiana saika hoan'i Zimbaboe]. Anontanian'ity mpiblaogy ity izay antony ilàn'ny filoham-pirenena Angôlana José Eduardo dos Santos fitaovam-piadiana, ary dia miantso ny vahoaka hihetsika ho fanoherana izany koa izy :

cuidado com a entrega das armas. O feitiço pode estar prestes a virar-se contra o feiticeiro. As armas, são a única garantia da vossa independência (pela qual lutaram ), contra esta corja de ditadores e negociadores corruptos. Eles estão a desamar-vos, para puderem massacrar-vos. A arma do voto, vai ser uma FARSA.Um espectáculo de circo made in China, idêntico ao Zimbabu e Quénia.

“Aoka samy ho mailò amin'ity fanaterana fitaovam-piadiana ity. Sao dia ifoteran'ny rambony eo [isika]. Ireo fitaovam-piadiana no hany azonareo itokisana  amin'ny fahaleovantenanareo (izay nitolomanareo fatratra) amin'ireo andiana mpitondra jadona sy ireo mpanelanelana voavidy. Hanandrana ny hanaisotra ireo fitaovam-piadiana eny an-tananareo izy ireo, amin'izay izy afaka mandripaka anareo milamina. Fandrebirebena fotsiny ity  lalàna mikasika ny fitaovam-piadiana ity. Namboarina tany Shina, tsy misy hafa toy izay efa hitantsika tany Zimbaboe sy Kenya.”