- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Barbada, Jamaïka : Momba ireo fitaovam-piadiana

Sokajy: Karaiba, Barbady, Jamaika, Shina, Zimbaboe, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Bajan Global Report [1] sy ny Jamaïkana Geoffrey Philp [2] dia samy mitatitra momba ny fivarotana fitaovam-piadiana Shinoa any Zimbaboe. Geoffrey Philp's mampahatsiahy ny fifandraisan'ny mpihira fanta-daza Bob Marley sy Zimbaboe :

Twenty-eight years after Bob performed “Zimbabwe”, Robert Mugabe is still holding on desperately to power and it seems that he will use any tactic necessary to continue his dictatorship. Now the Chinese are involved

“Valo ambi-roapolo taona taty aorian'ny nihiran'i Bob [Marley] ny hira hoe “Zimbabwe”, dia mbola mifikitra eo amin'ny fitondrana [ihany] i Robert Mugabe ary toa mampiasa izay tetika rehetra mba ahafahany manohy ny fitondrana jadony aza. Izao indray idiran'ny Shinoa ny raharaha.”
[FANAMPIM_PANAZAVANA : tamin'ny 17 Aprily 1980 dia tonga nihira ho fankalazana ny fahaleovantenan'i Zimbaboe i Bob Marley sy ny tariny The Wailers, tamin'izany andro izany no nanombohan'i Robert Mugabe ho Praisministra “vaovao” ary lasa filoham-pirenena nanomboka tamin'ny 1987 – via fluctuat.net >> [3]]

Bajan Global Report kosa manolotra ny heviny ny amin'ny hoavin'ilay sambo:

the vessel, the An Yue Jiang may have no choice but to return to its origins with its shipment of weapons. That’s because Mozambique, Angola and Namibia under international pressure and lead by the Bush administration have also denied access to the ship docking and unloading at their ports in case they risk hurting relations with the US.

“mety tsy hanantsafidy afatsy ny miverina any amin'ny tany izay niangany miaraka amin'ireo fitaovam-piadiana izay entiny ny sambo An Yue Jiang. Satria nohon'ny fahatahorana ny governemantan'i Bush, na i Môzambika, na i Angôla, na i Namibia dia samy nandà ny hiantsonan'ilay sambo sy ny hamoahana ireo fitaovana any aminy, mba tsy hanohintohina ny fifandraisan'ny tsirairay amin'ny Amerikana.”